4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy mino (lola - Lahy)

Haiko fa leo ianao

Leo ny miaraka amiko

Nefa izaho mbola tena TIA  ANAO



Impiry aho no manontany

Fa inona no tsy ampy?

Vonona aho ny hanarina izany

Ireo vita taloha ve

dia ho nofy avokoa?

tsy mino aho, tsy mino aho!



TSY MANAHY

NINONINONA ATAONAO AHY

FA BABONAO HATRAMIN’NY ATY FANAHY

IREO FIJALIANA, IREO FAHORIANA

HO ZAKAIKO HATRAMIN’IZAY

MIANGAVY AHO AZA MBA ARIANA

MITALAHO, IZAY IHANY DE IFALIANA



Tsy kivy aho ny amin’izany

Fa hiezaka hatrany

Ao amin’ny mangidy no misy ny mamy



Izaho ve no nikolo

Dia ny hafa no hanohy...

Tsy eken’ny saiko

Ny herim-po sy fotoana

Ho dia ho laniana foana

Tsy mino aho, tsy mino aho...



TSY MANAHY

NINONINONA ATAONAO AHY

FA BABONAO HATRAMIN’NY ATY FANAHY

IREO FIJALIANA, IREO FAHORIANA

HO ZAKAIKO HATRAMIN’IZAY

MIANGAVY AHO AZA MBA ARIANA

MITALAHO, IZAY IHANY DE IFALIANA...



                                                 RADO (Fort-Dauphin)




Partager tsy mino (lola

Commenter tsy mino (lola

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lahy)

Suite