4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy manahy (lola - Lahy)

TSY MANAHY



Haiko fa leo ianao, leo ny miaraka amiko

Nefa izaho mbola tena tia

Impiry aho no nanontany

Inona no tsy ampy

Vonona aho ny hanarina izany



Reo vita taloha ve dia ho nofy avokoa

Tsy mino aho (2)



Tsy manahy n’inona inona ataonao ahy

Efa babonao hatramin’ny ati-fanahy

Reo fijaliana ireo fahoriana

Nozakaiko hatramin’izay

Miangavy aho aza mba ariana

Mitalaho izay ihany dia hifaliana



Tsy kivy aho ny amin’izany

Fa hiezaka hatrany

Amin’ny mangidy no misy ny mamy

Izaho ve no nikolo dia ny hafa no hanolo

oh ! Tsy eken’ny saiko

Ny herim-po sy fotoana dia ho ariana foana

Tsy mino aho, tsy mino aho

Partager tsy manahy (lola

Commenter tsy manahy (lola

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lahy)

Suite