4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy azo atao ahoana (lola - Lahy)

TSY AZO ATAO AHOANA



Adaladala ny fitia tsy mifidy izay iantefany

Olona iray efa manan-tompo no nambabo ny foko

Angalarina hatrany ny fiarahanay

Voamaika mamy tsisy ohatr’izany



Mifankatia tokoa izahay roa

Raràna vaomaika  mivaivay ny fitiavanay

Mamy mamy mamy

Mifankatia tokoa izahay roa

Tsy hay norarana sady tsy azo atao ahoana

Tsy azo atao ahoana



Nifankahazo am-po tokoa

Na faly na ory nifanankin-doha

Tsy nifanary sanatria

Izany tokoa angamba no tena fitia

Zareo mpivady ara-dalàna

Nefa izahay nifato-tady tena igagana



Mifankatia tokoa izahay roa

Raràna vaomaika  mivaivay ny fitiavanay

Mamy mamy mamy

Mifankatia tokoa izahay roa

Tsy hay norarana sady tsy azo atao ahoana

Tsy azo atao ahoana



Angalarina hatrany ny fiarahanay

Voamaika mamy tsisy ohatr’izany



Mifankatia tokoa izahay roa

Raràna vaomaika  mivaivay ny fitiavanay

Mamy mamy mamy

Mifankatia tokoa izahay roa

Tsy hay norarana sady tsy azo atao ahoana

Tsy azo atao ahoana



LOLA

Partager tsy azo atao ahoana (lola

Commenter tsy azo atao ahoana (lola

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lahy)

Suite