4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsisy kianina (lola - Lahy)

TS’ISY KIANINA



Ianao ilay tiana

Izay nofidiana handravaka ny androko

Tsy azo lotoina na koa soloina maha saro-piaro

Fa n’inona inona fanaratsiana anao

Dia mandalo sy miserana

Fa ampidiriko amin’ny sofiko ankavia

Dia avoakako amin’ny havanana

Izay rehetra momba anao

Tiako avokoa ts’isy kianina

Miady tanteraka amiko izay mikitika anao



Ianao no tiako, ianao no tiako

Tsy mila, tsy mitady hafa intsony aho

Ianao no tiako, hatrizay mbola ho faniriako

Izaho sy ianao no mandidy sy manapaka



Eo anilanao mirindra izay atao hasambarana

Satriko foana hisy fotoana hihaonana foana

Raha ny ao am-ponao aloha dia efa fantatra

Fa mitovy amin’ny ahy tsisy valaka

Aza manahy fa tena fitia no atolotro anao



LOLA SY LILIE

Partager tsisy kianina (lola

Commenter tsisy kianina (lola

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lahy)

Suite