4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Lolo - Erick Manana



Maro ifidianana tsy hita ho tanisaina

Ny lolo lohataona ery an-jaridaina

Mahavalalanina raha ho tantaraina

Miambo sy mirenty re ka tsy hita izay hoalaina

Misosa mianavaratra misosa mianatsimo

Tsy mahalala sasatra fa dia mirimorimo

Ny raozy sy ny pika dia tsy misy izay adino

Orohana daholo fa samy vanona io



Refrain :

Manja ê manja ê manja ê ê ê

Orohana ny pika aloha ka manja ê ê ê

Enjehina ny raozy aloha ka manja ê

Tetezina ao an-kianja na felana na fanja

Indreny fa mihaingo sy mirenty ê ê ê

Ka isan’andro izao dia andro fety ê ê ê

Ny havo sy ny hiva dia voatety ê ê ê

Lolo eny aho ka lolo, miovaova volo

Ny maso dia efa folo, avia aty daholo



Mba araho maso anie ny lolom-boasary

Miravaka zandina hoy aho ka maha-te haka sary

Kanefa ny fietsiny dia tsy zarizary

Mitahy amin’ny lisy sy felan-draha miaro

Ny lolo anie ry Bako ka mitafy lamba mavo

Lalovany ny ahitra ka faly sady ravo

Omeny tokim-po re ny fanjan’ny voatavo

Fa ny tena tiany e dia voninkazo havo

      Refrain



Misy mangamanga ka misoratra volory

Nefa anie ny hajany tsy fantany akory

Ny vonipaiso kely dia omeny sorisory

Kopahiny hihenjana ka tsy afaka mivory

Ny lolo lohataona dia mivolom-bolamena

Fantatra avy hatrany hoy aho fa tsy manaja tena

Na ny ‘telomiova tsy misodisody lena

Ny laingo mena koa ê mitsetsy zava-mena

                   Refrain…

                 Lolo eny aho ka lolo…



Ny lolo lohataona dia mivolom-bolamena

Fantatra avy hatrany hoy aho fa tsy manaja tena

Mamangy ‘telomiova sy ny songosongo mena

Ny laingo dia nafoy nitsetsy jakymena

                     Refrain…

                    Lolo eny aho ka lolo, miovaova volo

                    Ny maso dia efa folo, avia aty daholo

                    Lolo eny aho ka lolo, miovaova volo…

Partager lolo

Commenter lolo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Erick Manana

Suite