4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Lazao fa tia - Marion

Iny lanitra iny hoy ianao

No banjino fa izaho tsy handao

Eny lavitra no misy anao

Fa ny foko mbola mitempo foana



Lavitry ny maso ianao

Ka ny aty mahatsiaro tsy hay ny hatao

................

Lavitra ianao

Tsisy mpanafana, tsy eo ianao o o o

Very lava izao, tsy hay ny hatao



Lazao fa tia foana ianao

Ka izaho irery no ao am-ponao

Aza adino fa na dia lavitra aza

Ianao irery, zaho sasa-miandry



Efa fantatrao, eny fa tsisy hahasolo

Ilay toerana mangina ato am-poko

Angamba mety tsy azonao an-tsaina

Alahelo lava izao no tanisaina



Aiza foana ianao

Manina ny aty

Raha mba mahatsiaro mba modia

Zay misy anao tsy hay

Ataoko ahoana moa

Izaho irery mahatsiaro, tsy mety mino

Ianao milaza foana hoe tsy hanadino



Lazao fa tia foana ianao

Ka izaho irery no ao am-ponao

Aza adino fa na dia lavitra aza

Ianao irery, zaho sasa-miandry



Lavitra ny taona tsy hay izay miseho

Toa mamisavisa alahelo

Nefa angamba aho tsy hino

Hoe ianao no hahavita izany

Hanadino, hamadika

Aiza no hisy ahy



Lazao fa tia foana ianao

Ka izaho irery no ao am-ponao

Aza adino fa na dia lavitra aza

Ianao irery, zaho sasa-miandry

Partager lazao fa tia

Commenter lazao fa tia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Marion

Suite