4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Lasa izy - TARIKA TSINJO

         1- Rehefa hariva iny ny andro

            Efa mirava izahay, indro izy mitsena ahy

            Avy manantona ahy, tonga dia manoroka

            Avy eo dia tantanako ny tanako

            Eny an-dalana izahay, mifampitanatara izay

            Nanjo anay avy,

            Dia miara mitsiky avy eo,

            Na miara ory koa

            Mpifankatia eh, zary ho nofy



          

          Ref-  Lasa nandao ahy izy ho afoy

                Tsy ho hita intsony lasana natory

                Tsy ho anilako intsony eh!,

                Tsy ho reko intsony



                 Ny lasa sisa mipetraka ho ahy

                 Mino aho f’hitohy, any an-koatra indray

                 Oh! veloma eh, ho mandrakizay





           2- Mbola tsaroako tsara koa

              Ilay andro farany, niarahanay roa

              Hariva koa io andro io

              Mena ny masoandro

              Izaho niondana teo an-tratrany

              Bitsika mangina no, teniny farany tamiko

              Hoe tiako ianao

              Nitsiky aho tsy nahalala izay hoe

              Izao anie no andro farany, hiarahanay



                  TSINJO 2001

Partager lasa izy

Commenter lasa izy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe TARIKA TSINJO