4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Lafatra - Lafatra

Tsy maintsy handao, sahady anie ty zaho,

Ry akany niampofo, ny hatanorako,

Ka hamiratra aho, hanjary ho fahazavana

Fanilo indray, mitantana ny hafa



Fa vorona, an-drano mahery aho

Ka sarotra ho ahy, ny lalana ombàna

Raha handeha handao, hanely ny hafatrao,

Raha manina anao dia hitomany



Tsarovy anie, ireny lasako

Ny ratsy anie, avelao mba ho anatro

Manomboka izao, izao sy ianao dia ho iray

Ry akany niandrandra ny ho aviko



Raha hisidina, ho lavitra anao aho

Hanefa ny adidy, ho voninahitrao

Dia tsy hatahotra aho, hijoro aho satria

Ho LAFATRA no tanjona iriana



Fa vorona, an-drano mahery aho

Ka sarotra ho ahy, ny lalana ombàna

Raha handeha handao, hanely ny hafatrao,

Raha manina anao dia hitomany



Tso-drano anie, no indro raisiko

Fanamby anie, no indro fiainako

Ny toky atao, ataoko aminao dia tsy adino

Ireo sata napetraka hatrizay



Ianao anie, ianao ry zandriko

No dimbiko, hamelako ny hafatro

Hanohy indray, hanjary handray reo tantara

Navelako mba ho lovanao

Partager lafatra

Commenter lafatra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lafatra