4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mifanafatra foana - Kafa

Mifanafatra foana, mifanome fotoana

Indrindra tato ho ato

Mifanao andraso andraso



Kanefa anie impiry impiry no hita mifampitsikera

Rehefa injay mikiry

ny mba ho merisenera



Efa mba nitia ihany

Saingy indrisy

Tsy nahay nitia ka zary

Tsy nisy

Fo mangoraka mandefitra

Isam-baravaran'efitra



Mifampikasokasoka ,mifanakalokalo sary

Tsy mahalala vasoka,

Fa aseho miharihary



Kanefa anie sahy miamboho

Manaloka, manakom-barotra

Dia hoe marary fo

Ka tsy hananosarotra



Efa mba nitia ihany

Saingy indrisy

Tsy nahay nitia ka zary

Tsy nisy

Pitik'afo kely farany

Namelona ny anarany



Indrindra tato ho ato....

Mifanao andraso andraso






Partager mifanafatra foana

Commenter mifanafatra foana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Kafa