4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Kurde - Mahaleo

Rehefa akaiky ny maraina
Ho foana ireo taraina
Niray ny   zanak'olombelona
Hiaraka hifamelona
Na havoana, lohasaha tsy hisy ny didy jadona
Ny hirantsika roalahy , hadio toa rano an'ala
          Aza misaramianakavy e!
          sy mitokatokamonona
            ny herisetra aleo ho avy
            fa hiparitaka any anaty haizina
Masoandro amambolana
hamono ity ady
Velonkira ireo vorona
foana teo ny rahon'ady
Ny rindrina izay mamefy hirodana avy hatrany
Ny fahavalo dia ho lefy fa resy an'elantany
                Aza misaramianakavy....
Fanjakana lohamboto
Tsy mba ho mety ho ela velona
Mbola hadio ireo maloto
Henatry ny olombelona
Mbola ho avy ilay maraina ho foana ireo taraina


                  

Partager kurde

Commenter kurde

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite