4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Kristy famonjena - Antsan'i Fenomanana





FIV: Tonga hamirapiratra

Hanjopiaka toy ny kintana

Ravaky ny alina

Kristy famonjena ho ahy sy ho anao





1- Ny ràn’i Kristy izay maty ho antsika

Tambonin’ny hazo fijaliana

No hanadio sy hanasa antsika

Hanaisotra ireo ziogam-pahoriana





2- Izy nandresy ny fahafatesana

Fa nitsangana afaka hateloana

F’efa tanteraka ny famonjena

Ndeha hiaraka hikalo ny hira hoe:



3- Raha tonga ny andro fitsarana

K’hifarana izao rehetra izao

Ho haravoana no hameno ny fo

Ndeha hiaraka hikalo ny hira hoe:

Partager kristy famonjena

Commenter kristy famonjena

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Antsan'i Fenomanana