4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Kristianina - Belahy

Eny @ dabilio voalohany aho no hipetraka @ alahady

Hifanatrika izahay sy i Da’ Mopra  tonga dia mazava ho azy

Na impolo hanao rakitra kala iray efa nataoko majy



Isaky ny maka toerana any aoriana aho dia misy devoly manafika

Voamasoko mipelipelika, ny tenako tsy mety matotra

Isan’andro aho toa mandaingalainga, laniko hatramin’ny rakitra



Aza hiresahana resak'antokom-pinoana aho fa mivadika biby masiaka

Raha hiresaka dia baiboly aseseho hatrany @ Lioka

F’i Jesosy efa nanao batisa, fivavahana tsy politika



Mitombo isan’andro, mameno tanàna karazany maro ny fivavahanay aty

Ka samy mandoka ny azy dia milaza fa @ lé OUI

N’iza² izay hanontaniana dia manompo an’i KIRISTY!!



Bridge

Noteteziko avokoa eglizy be dia be

Misy aza sahy miteny “RABELAHY, HONO, TOA MAMPIHOMEHY”

Ny fosafosa fadio

Mivavaha @ fo madio

F’izay tiako ihany io

Na divay na kominio







Misy fiangonana iray izay tiako hidirana kanefa mikatona foana

Mitaraina ireo mpino, henoko t@ KIDAONA

Mifanenjika ny olombelona, ny fiangonana lasa misaona



Andriamanitra tokana ihany no hivavahako, any an-danitra no foibe

Ny safidiko dia mampirafy fiangonana be dia be

Koa samia mivavaka tsara mba tsy ho any @ Afobe



Nanantona sy nanontany tany aminay ilay diakona mpanetsiketsika

“Taiza foana no tsy hitahita, sy manapaka matetitetika?"

Tsy manapaka matetitetika aho fa nivavaka tany @ SEKTA!!!!”



Hitsofohako sady teteziko hivavahako raha vao fantatro fa hoe fiangonana

Fivavahana no anton-diako fa tsy hamonjy lanonana

Rasalama aza voaenjikenjika nosamborina sady nodorana



Bridge

Indrindra² f’isika olombelona be fahotana

Aza mifanalanala f’Andriamanitra mbola hitsara

Androany aho ANGLIKANINA

Fa rahampitso dia LOTERIANINA

Ity fiangonana ‘ty VAKIBAL

KIRISMASY AHO  MANAO SASAK’ALINA



Andriamanitra Tompo, Masina ianao

Tongava ka faingana hitsara anay aty

Ny fiainanay aty dia miatsara vela-tsihy

Mifampitsaratsara dia ho Kristy



ôôoôoôoôôôôôoôoôôôô

oôôôôôôôôôôôôôôôôô AMEN!!!












Partager kristianina

Commenter kristianina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Belahy