4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Kozy vre - Ny Ainga





Fony mbola bandy kely tamin’ny tanana aho,

Raha nanao vakansy eny ambanivohitra e,

Ny kilalao mba dia ny miara-milomano

Ao ambanin’ny tetezana.

Tena tiako ny miara-milomano,

miaraka amin’ny taritarin’ny tanana.

Tena tiako ny milalao rano,

eny ambanin’ny kidona fiampitana.

Dia iny fa mandalo ireo mpiantsena manja irony,

Mitazana anay, anay ery ambany.

’Zahay ety ambany mba mitifitra ambony,

Mahita koa izahay, mankany mankany.

Eny re dia samy tafita,

ady sahala hoa ka asiako fanindroany.

Eny re fa samy nahita,

iray sy iray hoa ka tampona ny domy.

Oay ayayyayay, dia lasa lavitra ny saina e

Velombelona e ny aina e,

Mahafinaritra ny fiainana.



Dia nitombotombo taona kely teny foana aho,

Entin’i bebe mamonjy mariazy o,

Izay no nahazatra anah nitia ny loko fotsy

Fotsifotsin’ny fitiavana.

Tena tiako ny miara-mikirimba

rehefa drodroka sy leon’ny baskety

Iny lalana anelakela-trano,

Faravohitra ka hatreny Besarety.

Dia mitopy maso kely eny an-davarangana eny

Dia mitsiky kely, fa tsisy miteny

Indreny ireo lamba miahy mitsiky eny ho eny

Manga sy maitso sy mavokely.

Dia io ny fotsifotsy ihany koa,

mitambatambatra somary afovoany.

Eny re dia samy mahazaoa,

iray sy fotsy ity ka tampina ny domy.

Oay ayayyayay, dia lasa lavitra ny saina e,

Velombelona e ny aina e,

Mahafinaritra ny fiainana.



Dia tafakatra segonda tamin’ny lycee aho,

Dia mba tena ho bossista amin’izay e.

Dia miseho hidefie an’ireo bandy siantifika,

Fa ireo no tian’ny siiiiiiipa.

Fa ny tiako dia ny Histo-Geo

Ny Malagasy koa dia reviko lery.

Fa krizy aho vao Matematika

Indrindra moa ka hoe Fizika-Simia.

Ilay prof mba reveko mampianatra anay

Gafian-dry zalahy, tsy vavy tsy lahy.

Ilay madama be tena mahakrizy ahy,

Tsy misy mahasahy, hajain-dry zalahy.

Eny re, samia koa tafita.

Dia hionona aho fa tratra afovoany.

Eny e, de hifankahita.

Telo-Iray fa tsy ho tampona ny domy.

Oay ayayyayay, dia lasa lavitra ny saina e,

Dia marary re ny aina e

Manahirana ny fiainana.



Dia nony hoe hamarana ny Terminale,

vao teo namaky loha nisafidy o.

Ny baka ony less mila famehezan-tena,

nefa zah te hampiaaaaaaaaaraka.

Tena manja ny serie C,

tsy very lalana, krana, mahay.

Fa tsy foiko koa kilasy TA,

vitraky sipa manjakely sy milay.

Dia ny loza koa, ny sipa tiako ho azo sy irina

Dia ireo izay tsy sahiko, tsy haiko kozina.

Kanefa ireo sondenda be tsy tiako irina

Manantona anah, tsy mila kotiana.

Eny less dia aza mime,

aza tratrany ary aza mba voany.

Eny less tsy hita ny aleha.

Iray sy fotsy ity ka tampina ny domy.

Oay ayayyayay, dia lasa lavitra ny saina e,

Dia marary re ny aina e

Manahirana ny fiainana.



Dia ny farany tafakatra an’Ankatso amin’izay,

Ankitolona ny bus isan’andro.

Dia reraka ny saina sady reraka ny aina,

Rotoroto hoa ny fiainana.

Tena tiako ny taxi be,

Fa naingy tsy arako ny sarany isan’andro.

Dia aleoko ihany mionona amin’ny bus,

Na milahatra efa main’ny masoandro.

Fa loza ny ankisisika efa samy noana iny,

Mba samy mijoro ireo mitapa-bolo

Mba samy mitakisina ka tsisy omen-tsiny

Izy eo aloha, izaho ato aoriana.

Eny re, tsy tantiko intsony,

misy miala Ambohijatovo Rabe.

Tsemboka ny ambany ambony,

dia misaka-paosy vao afaka mandeha.

Oay ayayyayay, fa lasa lavitra ny saina e,

Velombolo e ny aina e,

Mahafinaritra ny fiainana.


Partager kozy vre

Commenter kozy vre

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Ainga

Suite