4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Kalon'ny antitra - Mahaleo

Miketrona avokoa, ny hoditrao manontolo
Ela niara-droa, tafaray fotsy volo

Ny masonao mainty manga, mihafotsy ho azy teo
Ny nifinao maro banga, mahatonga anao hiova feo

Izaho kosa savolaina, foka sy trotraka
Efa miaritra aina, efa ho potraka

Efa manao poha, efa miverin-tsaina
Mangozohozo loha, efa manaintaina

Isika no hoe lany hetezana
Fa ny fontsika tanora aok'izany
Ianao no taolan-tehezana
Andefi-mandry hatrany

Mikisaka raha mamindra
Mihilangilana
Mikavivia aho hirindra
Kilasy vilana

Nefa mbola mitosy, mbola miangoty koa
Rangahy be sy rafotsy, mbola mifankatoa

Ny ankizy nokoloina, tsy misy tsinjo intsony
Tsy hita ho antsoina, efa voafehy ireo fony

Teto isika roa, tojo ny farany
Asa izay handeha aloha, miandry ny anjarany

Fa raha ianao no lasana, matesa faingana aho
Tsy hihidy ela ny fasana, f'izaho tsy mahafoy anao

Ny faniriako hatri'zay, hiara-antitra aminao
Fa ny Avo no nampiray, izay indray vao hifandao

Tsy tantiko ny ho irery, raha banga ny toeranao
Tsy misy mpakahery, koa avy re alao

Ho tapany aho fa tsy ho iray
Aza hilaozanao toy izao
Hiara-lavenona fa miaraka hitahy
Hiara-maty aminao


Dadah & Fafah

Partager kalon'ny antitra

Commenter kalon'ny antitra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite