4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Notefena - Jessy

Ny hery rehetra dia itiavako anao

Na fanahy na ny saina tsy hadino ny fo

’Zay kely vita sy mba azo natao

Tsy nisalasalana noefaina avokoa

Mba tsy ho rava

Mba tsy ho rava tsy hanenenana



Tiako tiana ianao lay safidy dia lasanao

Tiako tiana ianao lay fitia zay nomeko anao

Tiako tiana ianao lay sadify dia lasanao

Tiako tiana ianao lay fitia zay nomeko anao tsy lalao



Tsy neniko anefa izay fotoana lany

Fa ny tanjon’iray dia fitiavana ihany

N’inona sakana tsy hihaonantsika

Nohezahiko nialana fitia tsy hay rarana

Lay tsy ho rava

Lay tsy ho rava tsy ho nenina



Tiako tiana ianao ilay safidy dia lasanao

Tiako tiana ianao ilay fitia zay nomeko anao

Tiako tiana ianao ilay sadify dia lasanao

Tiako tiana ianao ilay fitia izay nomeko anao tsy lalao



Tena fitia tato anaty

Notefena ho mandra-maty o o o

Tsy lalao tena fitia tato anaty

Notefena ho mandra-maty o o o



Tiako tiana ianao ilay safidy dia lasanao

Tiako tiana ianao ilay fitia zay nomeko anao

Tiako tiana ianao ilay sadify dia lasanao

Tiako tiana ianao ilay fitia izay nomeko anao tsy lalao

Tsy lalao tsy lalao

Partager notefena

Commenter notefena

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jessy