4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Jiolahy voababo - RISIKA

JIOLAHY VOABABO



«  Mifalia ry Zatovo dieny mbola tanora hianao, ary aoka ny Fonao hampifaly anao amin ‘ny andron’ny fahatanoranao koa mandehana any amin’izay jeren’ny masonao sy izay irin’ny fonao kanefa ! ! aoka ho fantatrao fa ho entin’Andriamanitra hotsaraina hianao amin’izany rehetra izany  »





Sendra avy nilalao aho tamin’izay.

Ka handeha hody ho any an-tranonay.

Dia nifanena tamina Pasitera iray.

Nanambara tamiko ny Fiainana mandrakizay.



Nambarany tamiko avokoa.

Ny sitra-pon’ilay Ray tsitoha.

Ny andro farany izay tsy manam-paharoa.

Sy ny afobe izay mampijaly.



Ka dia :



Nitanodrika aho raha nahare .

Ireo fahotako izay tena marobe.

Nampihoroho ahy ny nahalala.

Fa hay izaho ity dia mbola hotsaraina.



Vahaolana hoy izay tamin’izany .

Miaiky fa mpanota ka mibebaka hatrany .

Aza dia variana na mandany andro.

Fa antomotra anie ilay fara andro



Resy lahatra aho nanoloana

Ny tenin’ilay Mpanjakan’ny mpanjaka

Tsy nisalasala intsony fa avy hatrany dia nifindra

Niova ny fiteny fitafy sy famindra



Nanomboka teo dia niova tokoa

Fihetsika fiteny sy fitem-pon’ny fo

Tsapako tokoa fa hay tena hasambaram-be

Ny miaraka amin’ny tompo na Yaveh



Tsy hohaiko ho tazonina ho ahy samirery

Ilay teny soa izay tena manan-kery

Fa hozaraiko aminao izay manatrika ahy io

Miaike ny fahotanao mibebaha dia hadio



Fa atomotra ny fotoana

Izay misy ho faty nefa tsy hisaona

Eny amin’izao raha azonao hatao

Dia mivavaha sy mibebaha hianao



RISIKA

« les chanteur de l’apocalypse »

Partager jiolahy voababo

Commenter jiolahy voababo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe RISIKA