4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Jamba - Mahaleo

Jamba aho eny jamba
Nilaozana hazavana
Ao anaty haizim-pito aho
Haizina tsy azo ialana
Loko tokana ihany no mba navela ho ahy
Dia ny maintimainty izany tsy misy ny ankoatr’izany

Nefa rahavako aminao no hiara-dia
Fa navelanao ho tazako ny lokon’ny fitia (*2)

Moana aho eny moana
Tsy mba navela hiteny
Raha te hiresaka aminao
Ny tanana no ahetsiketsik’eny
Soa fa nisy tanana aza
Azo asoloko ny vavako
Ahafahako milaza fa hanao ny fitiavako

Tsiky eny tsiky no nasetrinao izany
Tsy navelanao ho kivy aho
Raha mbola anilanao ihany (*2)

Malemy aho eny malemy aho
Tsy afaka hijoro akory
Enta mavesatra ho anao ahatonga sorisory
Fiantrana fotsiny ihany
No nahatonga anao ho eo
F’izay any am-ponao any
Mandratra ka tsy tianao aseho

Nofihininao ny tanako
Ka hoy ianao hoe: MANGINA
Ka ny andro sisa hianako
Atokako ho anao ry tiana
Nofihininao mafy ny tanako
Ny ranomaso nanenika ny tavako
Dia ranomasom-pifaliana

N’inona voina mety hitranga
Tsy zanaky ny hafa ianao
Ny voaary tsy tia apanga
Hisy toetra eo anilanao
Ny jamba hisy hitantana, ny moana hisy handre
Ny tsy salama vatana hisy ampianatra handeha

Partager jamba

Commenter jamba

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite