4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Jamaika - RAH-CKIKY

Dia nitambotsitra izaho ka naleoko niverina tsy nita rano ô

Naleoko nanohy ny diako tany an’ala

F’izaho anie mora maty an-drano tsy mahay milomano ô

Ka ilay ala mikitroka ny ahy no mba nalaiko akama

Fa nahoana tokoa moa e!

Samy ravinahitra ihany

Nahoana ny sasany no enjikenjehin’ny lalàna

Fa nahoana tokoa moa e!

Samy voary nataon-janahary no nisy navahano nozoninao tsy hanjary

Sady enjehin’ny lalàna sy ny eto an-tanàna,

Na fiainan-demony, satana reveko manja madama a!

Na kianin’izao tontolo izao aza ianao, hiaraka foana isika

Ny tetezana andehanantsika mizotra any jamaika

Na kianin’izao tontolo izao aza ianao, hiaraka foana isika

Ny tetezana andehanantsika mizotra any jamaika

Fa nahoana tokoa moa e!

Samy ravinahitra ihany

Nahoana ny sasany e no enjikenjehin’ny lalàna

Fa nahoana tokoa moa e!

Samy voaary nataon-janahary toa nisy navahanao nozoninao tsy hanjary

Sady enjehin’ny lalàna sy ny eto an-tanàna,

Na fiainan-demony, satana reveko manja madama a!

Na kianin’izao tontolo izao aza ianao, hiaraka foana isika

Ny tetezana andehanantsika mizotra any jamaika

Na kianin’izao tontolo izao aza ianao, hiaraka foana isika

Ny tetezana andehanantsika mizotra any jamaikà

Taratasy sy rora no ampy hanamboarako anao re rahavako ô

Taratasy sy rora no hanakambanako anao tsy hisaraka

Dia asio tantely hipoaka, reveo fa tsy manin-tsy maninona

Sady ampiana nicotine hampiakatra ny feeling

Landilandio fa mandeha ila, tahitahio tsy hivilavila

Landilandio fa mandeha ila, tandremo ho’a sao misolila

Landilandio fa mandeha ila, tahitahio tsy hivilavila

Landilandio fa mandeha ila, tandremo ho’a sao misolila

Koa atero any jamaika any ny fanahiko, mba hanao mampamangy farany @ fasan’I Bob Marley ho’a zaho

Dia aza adino, aza adino ilay pap’s vrai! Ary ento manaraka anao avy afara ny briquet !

NA KIANIN’IZAO TONTOLO IZAO AZA ISIKA SY IANAO, HIARAKA FOANA ISIKA

Ny tetezana andehanantsika mizotra any jamaika

Na kianin’izao tontolo izao aza isika sy ianao, hiaraka foana isika

Ny tetezana andehanantsika mizotra any jamaikà

Efa miteny anao ho’a zama, Andriamanitra ihany ho’a no hatahory

Tsisy olombelona mifampitsaratsara izany lesy ry lety ry lety e!! sssss

Partager jamaika

Commenter jamaika

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe RAH-CKIKY

Suite