4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Voarara - Ikala

Manintona izy, miretirenty

Toa miantso ahy, mila tsy ho tanty

toa kintana mamirapiratra

avo loatra nefa ka tsy takatra

toa voninkazo iray mivelatra

ny tsilony anefa handratra



Izy mantsy ilay voankazo voarara

fakampanahy io fa tsy anjara

Izy mantsy ilay voankazo voarara

nambabo ahy ka nandrapaka aho!



Mifamahofaho, an-dohako

fanontaniana tiako hovaliana

Io vola io aza nahita izay natao

Niriako tsy hifarana ilay lalao

Saingy fakam-panahy ka tratra aho

marary fa lalina ilay ratra!



Izy mantsy ilay voankazo voarara

fakampanahy io fa tsy anjara

Izy mantsy ilay voankazo voarara

nambabo ahy ka nandrapaka aho!



Navaloko ilay tantarantsika (fa tsy anjara)

saingy miverina manenjika ahy (na dia voarara)

Tsy te-hahita na handre anao

tsy sitrana aho Mbola marary!



Izy mantsy ilay voankazo voarara

fakampanahy io fa tsy anjara

Izy mantsy ilay voankazo voarara

nambabo ahy ka nandrapaka aho!



IkalaH

Partager voarara

Commenter voarara

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ikala