4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Filafila - Ikala

Mifanarakaraka eny

Mifampijery, mifampiteny

Fa tsy fantatra mazava ny fiarahantsika

Na mpinamana na hoe mifampisipa

Fa izao

Ianao misalasala

Mody hoe tsy hahalala

Ka aza mampifilafila

Fa tsory na mila na tsy mila



Mody mankato

Nefa avy eo mandà

Toa mankarary fo ny mahita anao mikisaka

Nefa za efa sahy

Mody mankato

Nefa avy eo mandà

Ka aza mankarary loha

Fa lasa raha hisitaka

dia aoka ho mpianadahy



Ianao mivanivany

Ny fotoana lasa ihany

Ny fitiavako miazoazo foana

Tsy ambony, kanefa tsy ambany

Ka izao

Aza atao sangisangy

Ity foko sasa-miandry

Aza atao kilalao

Raha hiaraka dia ’ndao

Raha ts’izany mifandao



Mody mankato...

Partager filafila

Commenter filafila

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ikala