4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ikalaoly - Ny Ainga

IKALAOLY

(Tadidinao ve ilay golf nifandona tamin’ny camion teny Fenoarivo iny? Eh maty tamin’iny ilay tovovavy kely mpankafy tao Ambodin’Isotry)



Hmm, han an.. Nankaiza e? Lasa izy e!



Midona malefaka ny any Fenoarivo any

Mamaly azy manjombona hariva ny ao Ambodin’Isotry

Fa mitomany, tsy tafandry

Mahatsiaro anao (2)

Miandry anao, hmm

Mitady anao (2)

Lasa ianao, hmm



Tantaran-dry sisa tadidy, ilay mpankafy e, tena tia e

Ireo tononkira izay namidy

Tomany andry e, ny rehetra aty e

Antsahamanitra na hatraiza hatraiza

Hmm, indry tsy mba sasatra

Mpankafy teo anilan’i Neny, hmm

I Dada efa nisaraka

Tsy ho hita intsony ireny rehetra ireny

Indry efa lasana.



Ikalaoly a, ianao no tsiahiko

Ikalaoly a, hmm



Tandindonao sisa mitoetra

An-dalana iny e, toy ny fahiny

Ilay mpankafy tianay rehetra

Izahay namanao mahatsiaro anao

Vavahadiko mivoha ianao mitranga, hmm

Tsikinao maraina iny e

Fahatsiarovana sisa Ankazomanga

Indry efa lasana

Fihaonantsika mpankafy Ny Ainga

Ny Hôtely Fitiavana

    Om-Guy (Ny Ainga)


Partager ikalaoly

Commenter ikalaoly

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Ainga

Suite