4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ikala - Mahaleo

Naka tso-drano ikala fa handeha hamita

Ny fianarany any am-pita

Mba ho lasa lavitra

Hanaka-danitra

Naka sambo ikala fa te hahita

Faramparany ilay nosintsika

Fa mbola ho ela

Vao tafaverina

Nilaozany avokoa

Ireo namany sy ireo lasany taloha

Any ve no soa ?

Any ve no misy ny zava-mahafa-po

Dia nahita lohataona vazaha ikala

Nisidina ary nilalao toa lolo mamo an’ala

Tsy misy fetra ny rehetra

Rehefa noely fetin’ny zazakely

Tsy mety tonga foana hoa ny dadabenoely

Mihamatromatroka izany lanitra

Tadidy ve ilay tany ?

Sy ireo namany nilaozany any ambadika any

Tadidy ve ilay tany ?

Sy ireo kilalao fanao amorom-patana any ?

Ririnina maromaro taty aoriana

Mafy mihitsy angamba ny fihafiana

Mitambolombolana rafahatsiarovana

Lasalasa saina, verivery ambiroa

Variana tamin’olona ho aiza moa

Tsy mahafinaritra izany miharitra

Tapa-kevitra,

Tapa-kevitra handeha hamonjy ny ankany

Nefa very hevitra

Sy matahotra ireo zava-mety hitranga any

Partager ikala

Commenter ikala

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite