4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ianareo zanako - Mahaleo

IANAREO ZANAKO



1/

Namoronako ny tsy nananako;

Nanakarako, ny tsy azon’ny tanako;

Nandaniako izay kely fananako,

Ianareo zanako.



Ts’isy tany, nihoriranako;

Matetika, tsy nihinanako;

Aretina aza mbola nitsanganako;

Ianareo zanako.



Ref:

  Satria, tsy nisy naniry;

  Ny voa nafafiny ho ratsy faniry;

  Samia mikolo, sy mikely aina,

  fa ny soa no ho jinjaina,

  Hanana ny tsara hoandrandraina.



2/

Be ny lalana, azo nandehanako;

Ny sampanana, saika nivilianako;

Nefa ny mahitsy no notanako;

Ianareo zanako.



Matetika, mikapoka ny tanako;

Misy fotoana, tsy maintsy nihenjanako;

Mahery angamba hoy ianareo ny fitantanako;

Ianareo zanako.    



Ref:

  Satria, tsy nisy naniry;

  Ny voa nafafiny ho ratsy faniry;

  Samia mikolo, sy mikely aina,

  fa ny soa no ho jinjaina,

  Hanana ny tsara ho andrandraina.



3/

Na noana aza aho, nareo no fahanako;

Ho anareo, no nifaninanako;

Zay sitrapoko, zary no bahanako;

Ho anareo zanako;



Fa ho avy ny andro, tsy hitsanganako;

Fotoana izay, tsy maintsy handehanako;

Nisy anareo nisahiranako, dia tiana ho fiadanako;

Ianareo zanako.



Ref:

  Satria, tsy nisy naniry;

  Ny voa nafafiny ho ratsy faniry;

  Samia mikolo, sy mikely aina,

  fa ny soa no ho jinjaina;

  Hanana ny tsara ho andrandraina.





Ianareo ho tsara faniry;

Hiroborobo, holavitry ny hirifiry;

Izay no valin-kasasarana,

Tojo ho hasambarana,

Ho ahy any am-pitsaharana!

Partager ianareo zanako

Commenter ianareo zanako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite