4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ianao no tiako - Kambana metaly

                IANAO NO TIAKO



Ianao no tiako

Voafatotra ny foko

Ianao no tiako

Hiara-dalana amiko



Mba satriko ery

Ny hitafa aminao isan andro

Hahita sy hihaino ny feonao



Resy lahatra fa ianao irery

No mahasarika ahy marina moa

Ny fombafombanao sy ny teninao



Hafa nohon ny hafa mahagaga tokoa

Mba nandalo fiainana ihany aho

Fa ianao ihany no mamin ny foko



Ianao no tiako.....

......

mba satriko.....



Tsy androany na vetivety monja

No handraisako izao hevitra izao

Eto aho nisaina lalina ny ho atao



Eny nofinofy tsy anilanao aho

Fiarahana marina no hilaiko

Fikasana ny ahy  anao ny safidy



Ka ny foko tia anao

Tsy  voararako intsony

Vao maika miha mitombo

Miha maniry an -tratra ao



Tia anao aho, tia anao aho

Ianao no tokako eto an-tany

N inona n inona midona ianao ihany



Ianao no tiako...

... Mba satriko ery....

Partager ianao no tiako

Commenter ianao no tiako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Kambana metaly