4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ianao no niantso ahy - A.M.A.F

Raiko ô ! Ianao no niantso ahy tanaty hadalana

Fony aho nanjehy ny androko

Koa atolotro mba ho sasanao ity tenako maloto

Nihosom-bovoka hatrizay

  

    Inty aho manohina ny antso, raiso ry Ray !

    Ho fanirakirakao

    Mianjahanja anefa ka tsy sahy

    Hiandrandra mba hijery Anao

    Hiondrika ’aho e, kanefa manantena hahita Anao manolo-tànana ahy



Tompo ô ! Ianao nametraka ahy

Hitoetra andro lava eo an-kavananao ry Ray

Tsy nataonao ho isan’ny mpanompo fa zanaka malala

No anarana iantsoanao ahy



Raiko ô ! Ianao nifidy ahy

Ho zaza mahatoky, hanjaka eo ankohonanao

Ka hiray latabatra Aminao toy ireo Apositoly

Niara-paly taminao



                                                         Jordan









  

Partager ianao no niantso ahy

Commenter ianao no niantso ahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe A.M.A.F