4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aleo - HIRAH

Fitia te-haharitra

’Zay niriko taminao

Tena avy ao am-po

Mba ho anao tokoa

Ny hevitro tsy hevitrao

Nefa ninianao izao natao

Tsy tsaroanao intsony

Izay tsy nahateo amiko





         Dia nangina foana teo

         Aiza ihany izay ny farany hatreo

         Ny any an-kafa indray no omenao aina



        Aleo aloha ny anio

        Hifarana tsy ho ampiana izany

        F’efa lany teo ny mamy

        Izay tokony ampiana hatrany

        Fa ny any aoriana indray

        No kendreo tsy hampitomany

        Tsy hanimba ny tany aloha

        Sy izay kely efa namoa



Ny amiko efa fantatrao

Fa ny ampitso tsy ho androany

Ny tsara vitako omaly ihany

No hampiana sy hatsaraina

’Lay toetrako efa hainao

Raha niaritra ny vita sy natao

Tsy tsaroana intsony izay tsy ampy eo





         Dia nangina foana teo

        Aiza ihany izay ny farany hatreo

        Ny any an-kafa indray no omenao aina



        Aleo aloha ny anio

        Hifarana tsy ho ampiana izany

        F’efa lany teo ny mamy

        Sy izay tokony ampiana hatrany

        Fa ny any aoriana indray

        No jereo tsy hampitomany

        Tsy hanimba ny tany aloha

        Sy izay kely efa namoa



         Aleo aloha ny anio....

  



(featuring: Tosy)


Partager aleo

Commenter aleo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HIRAH