4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ilay antitra - Hary

Ilay antitra fotsy volo

nihodin-barahina mena

loko miketrona daholo

tsy nisy na misy hojerena.



Mipetraka ambonin’ny vato

andrefan’ny trano zozoro,

anilany eo niarahako

mihantona izy ka mijoro.



Ny akanjo fitafy taloha

malabary lomorin’ny rano

mikimpy izy sy miharindoha

manatrika ny andro efa mamo.



Mijery ny tena variana,

misaina ny fiainany rehetra ...

Hasambarana sa fahoriana

’ty zato taona mbola mitoetra



Mitsiky izy milaza fa marina,

ady zao fiainana izao

feo malemy sy feo farimparina

ilazany hoe mbola ho hitanareo ...



Kajio hoy izy nefa dia mamy

matoa hiaretana tahaka izao

saingy ianareo amin’izany

mirongo fitaovana vao!



Tsy vizana hitondra fivoy

tsy hatory amiko efa lo

ny fijalianareo dia ho fohy

mipokatra ka ho afapo.



Ny andronareo ho voafetra

hanatitra ny trano igadonany

ary irony feom-baliha no hitoetra

amin’ny oran’ny fahamamoany.


Partager ilay antitra

Commenter ilay antitra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Hary

Suite