4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Toe-draharaha 2002 - Hanta

Toe-draharaha 2002



Mbola tsy fahita

Teto amintsika

Ny mampiasa dynamita

Ho fitaovana politika .



Ny tetezan’ao Ifanadiana Ifatihita

Ambohimandroso Mangoro

Behenjy Mampikony Antanandava

Sy ny sisa

Napoaka tamin’ny dynamita !



   Tsy ho tafita

   Ny fiainan-tsika

   Jereo fa ravan’indray

   ’Zay kely vita .



N’aiza n’aiza eto an-tany

Misy toe-draharaha toy izany

Ny vahoaka hatrany hatrany

No matimaty foana sy mijaly.



   Tsy ho tafita

   Ny fiainan-tsika

   Jereo fa ravan’indray

   ’Zay kely vita .



Volamena vatosoa

Misy marobe tokoa

Olom-bitsy ihany moa

No mahazo tombotsoa .

Izy milalao safira

Manarampo am’ity plezira

Ny an’ny vahoaka

Zoridira !

Raha mba milaoka

Vaingan-tsira !



Ny vahoaka malagasy

Efa leo ny mihafihafy

Ka mijoro sy mitraka

Handroaka ireo mpanjakazaka .

Las’ity !



Mbola ho tafita

Gasikaratsika ! ! !



  

Partager toe-draharaha 2002

Commenter toe-draharaha 2002

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Hanta

Suite