4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Matokia azy - GMMC

Izay rehetra ataonao
Atolory Azy dieny izao
Hovahany avokoa ny olanao
Ireo adin-tsainao hisinda sady handao
Matokia Azy ianao fa hainy atao

Ny ditranao hatrizay
Ialao fa ampy izay
Hofafany avokoa raha mety ianao
Sorisory hatrizay ho adino io fa aza manahy
Matokia Azy ianao fa hainy atao

Fa Izy irery ihany no mahay manampy anao

Ny ditranao hatrizay
Ialao fa ampy izay
Hofafany avokoa raha mety ianao
Sorisory hatrizay
Ho adino io fa aza manahy
Matokia Azy ianao fa hainy atao

Izy no mahay mamafa sorisory,adin-tsaina isan'andro
Izy no mahafantatra izay mahasoa sy izay mety mahatsara
Hainy avokoa izay ilainao sy tianao,kasainao
Izy irery ihany no manampy anao

MATOKIA AZY IANAO FA HAINY ATAO
IZAO REHETRA REHETRA IZAO

Partager matokia azy

Commenter matokia azy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe GMMC