4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Manana anao - GMMC

Na ranomaso aza indraindry toa tsy ampy hamafa izay mahazo ahy
Toa resin'ny fiainana aho ka leo satria lavitra anao
Zay mba nandrandraiko ho azo nofinerina tsy ho azoko
Na dia nanao izay azo atao, tsinontsinona aho fa tsy eo ianao
Teo aho vao tonga saina hoe hay tsy miankina aminao
Fa nalahelo fa nalahelo fa tsqy arak'izay nantenaiko no mitranga ho ahy
Zay aho vao tonga saina ianao mahalala izay mety ho ahy
Dia nitalaho aho tamin'izay, zay mba fifaliako, zay rehetra tiako
Aza simbaina intsony zay mba sisa ananako
Ny olona nataoko ho tia ahy nanadino ahy mora foana
Na dia nanao izay ho afako aho toa vao mainka mankarary ahy
Zay vao nahatakatra aho fa, raha vao lavitra anao
Fa nalahelo aho tamin'izay hoe nahoana izao no mahazo ahy
Zay aho vao tonga saina: hay aho tsy miankina aminao
Fa izao aho dia manana anao ha reharehako sy andriko
Raha sendra lavo aho, dia tohananao
Efa manana anao ah
Tsy ho kivy, tsy hitomany intsony aho fa ianao efa nilaza fa
Tsy avelanao ho very aho satria aho tianao
Manana anao ho ahy rahatrizay

Partager manana anao

Commenter manana anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe GMMC