4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ho anao io - GMMC

Jesoa no miantso izao
Anao izay mihaino io
Moa vonona ianao
Hiara-dia Aminy ho doria
Aza variana sao
hanenina ianao
Rehefa maty anie
Na mankany an-danityra
Na afobe

Aza mangataka andro
Hoe aoka aloha na hoe rahampitso lava izao
Fa i satana anie
Mitady namana ho kitozan'ny afobe

Fa hasambarana
No omen'ny Tompo ho an'izay mandray Azy
Fa i Jesoa anie
Mitady namana handova ny lanitra e

Angamba hoy ianao
Be ny ota izay natao
Handray ahy ve jesoa
Izaho maditra sy tsy mendrika koa
Tsarovy ilay jiolahy
Nombohina tamin'ny hazo
Vao niaiky ny helony
Nentin'i jesoa tany am-paradisa

Miandry anao
Miandry anao
Miandry anao Jesoa tia

Partager ho anao io

Commenter ho anao io

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe GMMC