4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny atao ihany - Gasy groove

Tonio hoy aho izato foko

Raha vesaran’ny toloko

Mionona izay mandalo

Tsy namana tsy fahavalo



Milaza fa tsy mety mihitsy

Ny mpitia an-tsika vitsy

Ny Ray sy Reny dia mandrara

Ireo namana tsy te-halala



Sanatria anefa izany

Raha mbola eto an-tany

Ilay fitia efa nekeko

Voninkazo novoleko



Iangaviako raha mety

Aoka tsy hiandry ilay anjara

Dia ho tonga ny andro fety

Hiara-dia soa aman-tsara



Ireo olona miteny

Avelao aho hivazavaza

Tsy haoko izy ireny

Ny fitiavana no hilaza



Mba iriko mandrakizay

Tena mamy tsy mba ho loa

Ho fitiavana iray

No hiainan-tsika roa



Sanatria anefa izany... No Hiainantsika roa: in-droa



’Zaho tsy taitra fa hiandry tantana

Tonga ny anjara dia mbola hanana

’Zay maharitra vadin’Andriana

’Zay mangina dia volamena

’Zay maika dia vadin’i Koto

’Zay miteny dia olona mpandoto



Fitiavana matotra no hiarahan-tsika roa e

Atao tena izy fa tsy atao kitoatoa e

Tazony maharitra sady ataovy mateza e

Atolotro ho anao re ny tena fitiavana ngeza e


Partager ny atao ihany

Commenter ny atao ihany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Gasy groove