4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy fonja ny fitia - Fitia

Iray minitra tsy nahy

Ny masontsika nifanena

Ny foko tia ka dia nomeko anao



Iray minitra ny tontolontsika meva

Ity zao hay nataonao kilalao

Tsy hita intsony ny tambitamby tonga ny ady

Dia samy vita ianao moa nandeha

Navelanao nipitrapitra irery teo aho

Niantsoantso miverena nefa ianao tsy nandre



Ref

Foana ny trano

Aleoko misaona ny foko toy izay aho

Hanan-dratsy hijaly lava foana hitomany

Haiko mafy

Tsy anilanao mangidy nefa

Aleoko miafy toy izay hilanja nenina eo aho



Niandry aho mba nisy anao hiova nefa

Zava-poana zany toetra ratsinao vao maika

Baribary tonga

Mankarary fo

Miha-tsy tantiko

Ditranao mankarary an-doha



Shy'n

...



Tara loatra zany

Ny foko lasa ny hafa ny saiko efa niova

Tsy toy ny taloha

Andriamatoa



Ref



Tofoka aho zao tofoka aho

Tofoka aho amin'ny ataonao

Tofoka aho zao tofoka aho

Tofoka aho zao amin'ny ataonao



Ref

Partager tsy fonja ny fitia

Commenter tsy fonja ny fitia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Fitia

Suite