4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny fitiavako anao - Felaniary sy Bodo


NY FITIAVAKO ANAO

Nahoana moa isika roa no dia voatery hiteny hoe Tiako Ianao
Nefa mifankafantatra ao am-po
Nahoana koa no rehefa tonga ny fotoana toy izao
Vao holazaiko ny fitiavako anao

Tsy ho voalazako an-teny fohy
Raha ny fitiavako anao
Tsy ho ampy izao fankalazana izao
Manomboka izao raha sitrakao izaho ho anao mandrakizay
Ny momba antsika ankinina amin-dRay

Satriko ho ren’izao tontolo izao
Raha ny fitiavako anao
Saingy efa ampy ahy ho ahy irery
Ny bitsiky ny masonao mijery

Nahoana moa isika roa no dia voatery hiteny oe tiako ianao
Nefa mifankafantatra ao am-po
Saingy androany hafa ihany tiako ho ren’izao rehetra izao
Ny mari-pitiavako anao

Nahoana moa no dia voatery
Hifanolotra ny peratra
Fefa ela nivoady tao am-po
Saingy androany hafa ihany
Tiako ho ren’izao tontolo izao
Ny mari-pitiavako anao

Satriko ho ren’izao tontolo izao
Raha ny fitiavako anao
Saingy efa ampy ahy ho ahy irery
Ny bitsiky ny masonao mijery

Nahoana moa isika roa no dia voatery hiteny hoe tiako ianao
Nefa mifankafantatra ao am-po
Saingy androany, hafa ihany tiako ho ren’izao rehetra izao
Ny mari-pitiavako anao

Saingy androany, hafa ihany tiako ho ren’izao rehetra izao
Ny mari-pitiavako anao



Partager ny fitiavako anao

Commenter ny fitiavako anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Felaniary sy Bodo