4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sendra ny tiana - FELANIARY

Misy teny tsy mety voatenin’ny vava
Fa mitoetra lava ao am-po
Tsy mety tafavoaka na dia loarana aza

Rehefa misy fotoana izay tsara ilazana
Ny miafina rehetra anaty ao
Nefa tsy sahy fa toa mihanahana
Tsy voateny mihitsy ilay hoe “Tiako ianao”

Ref : Fa sakodiavatra malomaloka eo
Gina sina sy tsy mahaloa-peo
Rehefa sendra ny tiana
Tsy mahateny fa gina

Te hiteny mafy ny hoe “Tiako ianao”
Nefa tsy sahy fa tsy hita ny atao
Hany hery mangina
Rehefa SENDRA NY TIANA

Partager sendra ny tiana

Commenter sendra ny tiana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FELANIARY