4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny fitiavako anao - FELANIARY

Nahoana moa isika roa no dia voatery hiteny hoe « tiako ianao »

Nefa mifankafantatra ao am-po

Nahoana koa no rehefa tonga ny fotoana toy izao

Vao holazaiko NY FITIAVAKO ANAO



Tsy ho voalazako an-teny fohy rah any fitiavako anao

Tsy ho ampy izao fankalazana izao

Manomboka izao raha sitrakao, izaho ho anao mandrakizay

Ny momba antsika ankinina amin-dRay



Satriko ho ren’izao tontolo izao

Raha NY FITIAVAKO ANAO

Saingy efa ampy ahy, ho ahy irery

Ny bitsiky ny masonao mijery



Nahoana moa isika roa no dia voatery hiteny hoe « tiako ianao »

Nefa mifankafantatra ao am-po

Saingy ny androany, hafa ihany

Tiako ho ren’izao rehetra izao

Ny mari-pitiavako anao



Nahoana moa no dia voatery hifanolotra ny peratra

F’efa ela no nivoady tao am-po

Saingy ny androany, hafa ihany

Tiako ho ren’izao tontolo izao

Ny mari-pitiavako anao



Satriko ho ren’izao tontolo izao

Raha NY FITIAVAKO ANAO

Saingy efa ampy ahy, ho ahy irery

Ny bitsiky ny masonao mijery



Nahoana moa isika roa no dia voatery hiteny hoe « tiako ianao »

Nefa mifankafantatra ao am-po

Saingy ny androany, hafa ihany

Tiako ho ren’izao rehetra izao

Ny mari-pitiavako anao

Partager ny fitiavako anao

Commenter ny fitiavako anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FELANIARY