4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy maintsy tongako - Fascination

Andao fa ho entiko any ianao

hijery ilay tanananay mh...

miorina an-tampon-kavoana izy

voadidin’alaala , no sady mangina koa



fa lalan-tsarotra tokoa

no ho diavintsik’izao

ao fa ho tantanako ianao

tsy tongan’ny fiara-kodia

fa lalan-kely manjohy miakatra

ny mankany aminay





ref  :  tsy maintsy tongako any ianao

           fa ef’izay no tanjoko

           ’lay trano bongon’ny fitia no nomaniko

            ho vantaninao any e e!



ny masoandro efa madiva hilentika

ka mety ho tratra andro hariva iany ’zao sy ianao

ka raha sendra hatsika mamirifiry

dia mbola eto anilanao aho

hanome hafanana



ny aty anie tsy mba sahala

ilay any aminareo

mahantra rendrarendra

(tsy mba ory fia)

ref:.......

                                

Partager tsy maintsy tongako

Commenter tsy maintsy tongako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Fascination