4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy kivy - FAKR

Miareta ny mafy, fa ianao tsy maintsy miafy

Mionona hatrany, raha mbola eto an-tany

Misy ny tomany , fombany ihany izany

Voasompatra hatrany, mahatsiaro ho ambany



Nahoana ianaono mitomany

izany anie no eto an-tany

Tsy kivy fa mitraka hatrany e!

Fa mbola misy any ho any



Ny ho avy jereo, farano hatreo

Ny fisian’ireo f’izy aza mbola ho leo

Tsy misy  ny mafy, ankoatra ny gafy

Fa raha ny anjara, dia tsy voarara



Miezaka ianao, mba hamefy e!

Ny soa sy tsara avy eo mandresy

Tsy kivy fa mitraka hatrany e!

Fa mbola misy any ho any



Herezo ny saina, tsinjovy ny aina

Fadio ny taraina, kendreo izay ilaina

Hanomana ny ho avy, ianao tsy maintsy miady

Hampiasa ny loha, hikendry ny soa



Mendrika anao, raha eto an-tany

Handroso ambony ambony ihany

Tsy kivy fa mitraka hatrany e!

Fa mbola misy any ho any

Partager tsy kivy

Commenter tsy kivy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FAKR