4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Izaho ilay bandy - Fafah

Tsy nampoiziko intsony ny hahita anao

Miramirana sy tony kanto toa izao

Ela ery ianao izany, inona ny vaovao

Tsy niova mihitsy ianao fa toy ny fahiny

     Mba manao ahoana ary izao ny fiainanao

     Mino mihitsy aho fa efa mahafinaritra

     Ny ahy moa dia tsy mbola niova, fantatrao ihany

     Mirenireny eny aho tsisy fiafarany.



(Ref)

Izaho ilay bandy mpananihany anao foana

Izaho ilay bandy mpandiso lava ny fotoana

Zay natao matetika

Izaho ilay bandy mpampitomany anao foana

Izaho ilay bandy nandao tsy fantatro hoe nahoana

  Fa izaho te hiverina

  Nefa ianao efa sambatra

  Tsy ho hita antsoina

  Tsy ho hita antsoina



Tena faly be mihitsy aho mahita anao

Fa izay any am-ponao any no tsy fantatro

Fa maninona ianao sa mba mahatsiaro

Ianao mitsiky sy manganohano

    Eny tonga ny fotoana dia lasa nandao

    Ora maro no efa lany zaho mitady anao

    Efa fantatro fa efa tara ankehitriny

    Ka ny sisa atao dia ny manadino

Partager izaho ilay bandy

Commenter izaho ilay bandy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Fafah