4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fotoana hifandaozana - Salomon

Hifandao izaho sy ianao tsy ho doria

Fomban-tany ihany izany satria

Misy ny fotoana izay tsy maintsy isarahana

Ka aza atao mahakivy fa ombay fivavahana

Eny misy ny alahelo rehefa tsy mifankahita

Nefa tano tsy hirona irony dina efa vita



Raha sendra misy embonembona miserana

Mila tsy hampahita tory dia aza arahana fitserana

Fa kaloy moramora ilay hirahirantsika

Mba hanako eny an-danitra hoentin-drivotra miampita



Am’izay fotoana izay, izaho sy ianao

Ampionona mangina ny ao am-po ao

Ka ny vetsontsika hifamihina mangina

Eny anivon-danitra eny ka ho tojo fifaliana

Raha (Eny) ho avy  ny fotoana mbola hihaonantsika indray

Ka lay hiran-karavoana no ventesina amin’izany



Raha sendra misy ...



Tonony sy feony: Romule Rabarivola

Arrangement: Harry

Mpihira: Salomon sy Olga

Partager fotoana hifandaozana

Commenter fotoana hifandaozana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Salomon