4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fotoana fohy - TSINJO


Fotoam-pialan-tsasatra iny
No nahitako anao
Nihevitra aho fa nanofy
Raha nitafa taminao
Nitselatra lay foko tia
Babo ka namboraka fitia
Fa ny faniriako anilanao
Fahasambarako ny hanaja anao

Nefa fotoana vitsy monja ihany
No niainantsika roa izany
Dia norarana tsy hiara-dia
Nohon'ny saranga tsy mitovy
Nefa atao ahoana intsony moa
No fanadino ireo taloha
Fitsapana izao rehetra izao
Ny hery ho ahy dia tiako ianao

Fa any volana taona eh
Reo mpandrara antsika ireo
Mbola ho moana, f'izaho sy ianao re hiaraka foana
Ny anjara tsy azo sakanana
Raha ory aho ka mitia, ny manana

Partager fotoana fohy

Commenter fotoana fohy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe TSINJO