4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fanantenana - Ny Ainga

Tsy hoe tsy fitia no nanainga anay
Hamoy ireo tiana sy ny hafaliana an-tany
Tsarovy fa misy ny avo noho ireo
Dia ilay zato heny ety sy ny any am-paradisa

Tozoy hatrany ny lalanao
Mba ho zary hafaliana ooooo an an an
Lanjao ny fijaliana
Iareto am-pifaliana
Hanosika hatrany ny vavaka atao
Tsy tsapan’ireo mihevitra fa adala o
Ireo manantena ny hasambarana

Tsy hoe tsy fitia no nanainga anay
Hamoy ireo tiana sy ny hafaliana an-tany
Tsarovy fa misy ny avo noho ireo
Dia ilay zato heny ety sy ny any am-paradisa

Ho feno hafaliana fiadanana hatrany
Ny aizina ho zary hazava ooo an an an
Hanjary lohataona ny andro ririnina
Sikino hatrany ny fanantenana
Tsy tsapan’ireo mihevitra fa adala o
Ireo manantena ny hasambarana
Tsy tsapan’ireo mihevitra fa adala o
Fa soa hoazy no nahatonga izany

Ny Ainga

Partager fanantenana

Commenter fanantenana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Ainga

Suite