4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy niova - Elie

Tsy niova mihintsy ianao

'Lay mafinaritra tony isan'andro

'Lay endrikao izay mirana be

Mahafatifaty tsara tareha

Marina mafy raha niova e



Tsy niova mihintsy ianao

Mirana lava tony masoandro

'Lay toetra anao izay tia mampihomehy

Tsara fanahy, miresaka be

Marina mafy raha niova re



Izaho koa tsy niova na dia ela tsy nifankahita

Fa mahatsiaro ireo lasa niarahan'tsika

Tsy mba voafafa tato am-poko sanatria

'Lay niarahako aminao

Na maro aza ireo fiainana hitako tany

Izaho tsy miova fa mbola tia anao iany

Lazaiko anao ny marina

Fa tsaroko foana ianao



Tsy niova mihintsy ianao

'Lay be tabataba hatrany am-pianarana

Indray ndray be resaka be

Tia vazivazy, tia mampiomehy

Marina mafy raha niova e



Tsy niova mihintsy ianao

Mirana lava tony masoandro

'Lay toetra anao izay tia mampihomehy

Tsara fanahy, miresaka be

Marina mafy raha niova re



Izaho koa tsy niova na dia ela tsy nifankahita

Fa mahatsiaro ireo lasa niarahan'tsika

Tsy mba voafafa tato am-poko sanatria

'Lay niarahako aminao

Na maro aza ireo fiainana hitako tany

Izaho tsy miova fa mbola tia anao iany

Aoka ho lazaiko ny marina

Fa tsaroko foana ianao

Tato am-poko foana ianao

Tsy ho adinoko ianao

Tsy niova hatram'izao

Partager tsy niova

Commenter tsy niova

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Elie