4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Etsy ho tadidiana - Mahaleo

Etsy ho tadidiana vetivety fotsiny ihany

ireo olon-tiana izay efa lasa any

tratra antso ka tsy tana nialoha lalana

tsy hoe tsy tamana f’izay no fandaharana



Ao ireo ray, ao ireo reny nantenaina hiankinana

hitantana, hiteny nefa lasa any am-pahanginana

ao ireo zoky, ao ireo zandry natao hiara-hiriaria

nefa tsy nahandry fa lavo teny an-tapa-dia



Ireny no niamboho lasana andeha aloha

tsy telina eny tsy sitraka hiotsaka ho lo

nefa akaikin’ny fo na dia ho vovoka

zary paritaka



Etsy ary ho tadidy ireo lasana any ankoatra

tsy nanan-tsafidy, tsy afaka nanoatra

ireo zaza tsy manan-tsiny ambohoka menavava

natao hoe hivahiny nefa tsy mba nahita mazava



Ireo izay voafoaka tampoka na dia erotrerony aza

zary fola nidaboka tsy nampilaza

ireo nahita ny ainy nandao azy moramora

ho faty ihany fa tsy hainy na ny daty na ny ora



Ireo rehetra ireo sy izay tsy mbola voalaza teo

tsy azo hadinoina, fa akaiky antsika

ny fitia raha tianao ho aseho

andeha mba jerijereo mba tsy ho zary hangatsiaka

Partager etsy ho tadidiana

Commenter etsy ho tadidiana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite