4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Eritreritra - NARY ARTHUR

Maro be ireo andro lasa no nanary

Ny tsiahy koa hiverina indray

Fahatsiarovana tsy mety mangina

Eritreritra tsy hay difiana



Ireo lalana nodiavina namohafoha

Ny tandindona niarahana hatrizay

Ka ny dian-tsika avy ao ivoho

No manambara tsy azo lavina



Koa tsarovy anie, aza adino koa

Lay andro mamy niombonana

Tsy namela antsika tsy hisaina ny ho avy

Toa nofy mangina ho ahy sy ho anao



Reny lasantsika ireny dia vita sary

Tsy mba rava fa ao an’eritreritra

Na ny tsiky na ny sento

Tsy namela hanadino



Ireo lalana nodiavina namohafoha

Ny tandindona niarahana hatrizay

Ka ny dian-tsika avy ao ivoho

No manambara tsy azo lavina



Koa tsarovy anie, aza adino koa

Lay andro mamy niombonana

Tsy namela antsika tsy hisaina ny ho avy

Toa nofy mangina ho ahy sy ho anao (2)

Partager eritreritra

Commenter eritreritra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe NARY ARTHUR