4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Eo aminao no mahatsara ahy - TANORA MASINA ITAOSY

EO AMINAO NO MAHATSARA AHY

Tsy miy afa-tsy eo Aminao ry Ray no hahitako fiadanana
Fa satria Ianao no fialofako ‘zay tsy hampangozohozo ahy
Sy ilay Tilikambo handosirako an’ireo fahavaloko
K’aoka aho hihaloka eo anilanao mba ho eo ambany elatrao
(Tadidiko ny adinay taloha nifamaly nanao an-dolom-po
F’angaha moa mbola vitan’izany fa teny maloto avokoa)
Tompo ô! Tompoko, menatra izahay”
1v+3v: (Namana maro no nitaona anay maika ery ny niantso hoe “AVIA”
Hivavaka isika androany, mba nandresy lahatra ery)
Tompo ô! Nefa moa tsy taitra izahay

Tsy misy afa-tsy eo Aminao ry Ray no hitako fa mahatsara ahy
Raiso fa maniry Anao ity nofoko sy mitady Anao fatratra
Heveriko ho mihoatra noho ny aiko aza ny haleben’ny famindram-ponao
Ka hidera ny Anaranao Masina aho raha mbola velon’aina koa
(Sompatra tsy mba nahatsara anay ‘lay Satana mpamilivily fo
Anio milaza toky sesilany ny ampitso hay ka fitaka moa)
Tompo ô! Tompoko, ndrao very izahay
1v+3v: (Tapaka ny hevitro f’ilay Jeso ‘zay nambaran’ireo namako
No hoarahiko manomboka androany sy ho antoky ny fiainako)
Tompo ô! Tompoko, raiso izahay

TANORA MASINA


Partager eo aminao no mahatsara ahy

Commenter eo aminao no mahatsara ahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe TANORA MASINA ITAOSY