4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Eo ambony tratranao - Mahaleo

Andrenesako ny firesaky ny fonao
Ahenoko ny hirahiram-ponao
handraisako izay tsy voalazan'ny vavanao
Nahatsapako ilay fitiavana any aminao

Eo ambony tratranao no iondanako e


Ahalalako ny onjam-piainanao
handanjako izay efa nozakainao
hangalako izay mbola lanjainao
nahafantarako fa mahitsy fijoro ianao

Eo ambony sorokao no iankinako e

fantatro fa miloloha lanitra isika
Tsy maintsy mbola ho lena ihany isika
hifampiaro izaho sy ianao e

fantatro fa malama maina ny tany
Tsy maintsy mbola hianjera ihany
hifampitazona izaho sy ianao e

Eo ambony sorokao no iankinako e ,no itokisako e

Raha sanatria isika roa ho tojo fahoriana e
Tsy avelantsika ho toy ny hazo fijaliana e
iaraha-mibata, iaraha-mizaka
ny herin'ny fitia no ampiasaintsika sy ndry

Ny fitiavantsika roa asandratra ambony e
Lolohavina an-tampon'ny loha
Tsy avela hianjera intsony e
iaraha-mibata, iaraha-mizaka
ny herin'ny fitia no ampiasaintsika sy ndry


Partager eo ambony tratranao

Commenter eo ambony tratranao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite