4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Eo ambany fahasoavanao - A.M.A.F



Fantatrao fa tsy tanteraka aho ry Tompo ô !

Nefa endrey fa nanankinanao asa

Tao anaty alin-kisa no niantsoanao ahy

Mba ho isan’ireo irakao



Fiv :

Inona e, Raiko ô, no hatahorako

Raha Ianao no mitsilo ’zany diako ?

Izay miaraka Aminao e tsy mba manana ahiahy

Fa mahery matoky am-panahy



Tsy miafina Aminao ny halotoako ry Ray ;

Koa hamasino ho mendrika Anao

Ka mba ho eo ambany fahasoavanao tokoa

No hanekeko ho irakao



Hiainga aho hamakivaky lalan-tsarotra

Mety ho kivy satria nofo ihany aho

Rehefa injay fa mila hiraviravy tanana

Mba misehoa Ianao



... Eo ambany fahasoavanao


Partager eo ambany fahasoavanao

Commenter eo ambany fahasoavanao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe A.M.A.F