4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Embouteillage - Solo Miral

EMBOUTEILLAGE



Efa tamin’ny 1960, dia efa olona tsy olona Antananarivo

Ora firavana amin’ny 12, Iarivo ahitana ireo foko manontolo

Tsenan’Anjoma Analakely mamoropotsy ny elobe variana ny maso

Mifanitsa-kitsokely ny mpivarotra, mpividy, ny mpamily

Ny mpandeha ka tsy hita izay aleha



I a! ô ! ô! mandroso mihemotra ao amin’ny embouteillage

I a! ô ! ô! haingana ndrao tara fa be ny embouteillage



Fa ho tohizako ihany ary ny tantara

Momba ny embouteillage eto Madagasikara, tsy andavanandro,

Tsy andro fety fa ahitana lanonana sy leritirety, hatramin’ny hira gasy eny an-kalamanjana. Mahamasina adi-baolina tena mafana, ery misy dômy karatra, fanorona, Tsabo 3, Tsabo 9 maka 5 maka 10



I a! ô ! ô! Diavolan-ko lava, ao amin’ny emboutaillage

I a! ô ! ô! kilalao mbola ho ela, na dia be ny embouteillage

Ê ! ê ! aty izao no mandeha !



Tantara ihany ity ho antsika mianakavy

Hoa anao razandry, zoky ranabavy fa sarotra be ny mampiaka-bady,

Raha ao amin’ny embouteillage ianao no mitady azy, koa mahaiza mifidy tambitamby ny fitia. Ataovy be am-bava ny ho doria doria doria

Arahabao izay mitsangana, miakatra sy midina,

Miditra mivoaka fa amin’ireny ry ranaotra



I a! ô ! ô! horoka tsy nahy ao amin’ny embouteillage.




Partager embouteillage

Commenter embouteillage

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Solo Miral