4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Embona sy hanina - Mahaleo

Embona sy hanina,

Tsy hay mahafanina

Ngoly ny fo mamelovelo,

Madisadisan’alahelo.



Ny havoana tazanina,

Tsy hita ho dinganina

Fa lavitra loatra ianao ka tsy tratra

Ny aina marary ny fo maratra.



                Fa ny antsoko ny akony no mitampody

                Te hihiaka mafy anie aho fa tsy tody

                Izay jerena toa manjavozavo

                Rako-drahona sy vohitra avo.



                Fa mahery sy masiaka ny onja

                Tsy lakana afaka hitondra

                Ny maso no alefa maminany

                Hibanjina anao any ho any.



Alahelo sy toloko,

rehefa injay tsaroko

Fa noho ny hasomparan’ny tany ,

Izaho aty ianao lavitra any



Tsy azo hiadiana ny anjara,

’zay ngamba no noheveriny ho tsara

Izaho tsy ho kivy tsy ho ketraka

Na dia mangidy mavesatra.



               Fa ny ahy dia fitia tena marina

               Na anaty onaona aza ho tafarina

               Na halevina mety mandifotra olona

               Hipetraka haniry hamololona.



               Ny hany hafatro dia ny hoe matokia

               Fa izaho tsy hitsahatra ny ho tia

               Ny halavirana sy ny taona

               Tsy  hahasakana antsika tsy hihaona.

Partager embona sy hanina

Commenter embona sy hanina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite